Kabary – Vanim-potoana manan-tantara : hosokafana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma

Nambara nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, notantera­hin’ny Fikambanan’ny Mpi­kabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ny Le Pavé Antani­na­renina fa hosokafana ny 18 febroary izao ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny sehatry ny kabary ity. Eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Anta­nana­rivo Renivohitra, Analakely no handrehetana ny fanilo miampita izay hitety ny lafy valon’ny Nosy sy ny any am-pita. Efa vita rahateo ny fifaninanana hira faneva sy ny sary famantarana ito vanim-potoana lehibe ito. Hisy fanolorana mari-pankasitrahana sy mari-boninahitra mandritra ny fotoam-pankalazana rehetra.
Ao koa ny fampirantiana ireo tantara samihafa. Hisy takarivam-pialamboly ny ha­rivan’ny 18 Febroary iarahana amin’ny vondron’ny mpikabary Fi.Mpi.Ma misehatra
amin’ny fizahantany. Aorian’ Anta­nanarivo, faritra Atsina­nana, Analajirofo, Alaotra mangoro no hanao fankalazana sy handray ny fanilo ny 25 febroary ary ny Faritra An­droy, Anosy, Atsimo andrefana ny 18 mars.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: