Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina – FMTS: nomarihina ny Androm-pirenena ho an’ny kabary

Kolontsaina sady zavakanto anisan’ny nahitana fivelarana lehibe ny kabary malagasy. Iray amin’ireo manamarina izany ny nametrahana andro iray isan-taona ho an’ ity lahabolana am-bava ity.

Notanterahina, omaly, teto Antananarivo ny hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nampidirana ny kabary malagasy ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana irai­san’ny zanak’olombelona. Fo­toana (taona 2022) nanambarana rahateo fa homarihina isaky ny 15 janoary ny An­drom-pirenena ho an’ny kabary. Nosokafana tamin’ny alalan’ny diabe niainga teo amin’ny Lycée teknika Alarobia (LTP), niafara teny amin’ny Kianja maitso Analamahitsy ny fandaharam-potoana. Mpi­kabary anarivony ao anatina fikambanana samihafa, mpikambana ao amin’ny Fede­rasiona mpikanto ny teny sy ny soratra (FMTS) no nanatanteraka izany. Na ny talen’ ny kabinetran’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina na ny filohan’ny FMTS, samy nanasongadina avokoa ny maha zava-dehibe ny lanjan’ ny kabary eo amin’ny fanabeazana.

Fantatra fa ny kabary no anisan’ny kolontsaina malagasy nahitana fivelarana lehibe tao anatin’ny fotoana fohy raha jerena amin’ny isan’ireo mirotsaka ao anatiny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: