Tarika Didy Alfa : nodimandry i Telina

Tohina ny fon’ny rehetra, indrindra ny mpankafy raha nahare ny fahalasanan’i Telina na Razafindrabary Telintsoa. Ny marainan’ny asabotsy 14 janoary 2023 ity mpanakanto evanjelika ity no nindaosin’ny fahafatesana. Araka ny vaovao navoakan’ny tarika Didy Alpha, tampoka tanteraka izao fahalasanan’i Telina izao.

“Izaho mbola tsy miova fa mbola tia anao foana e!”. Io no hira tena nahafantarana an’i Telina tao amin’ny tarika. Vehivavy mpitarika ny feo tao amin’ny tarika izy ary tena nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny tarika. Ity tarika ity izay somary tsy heno saingy eny am-bavan’ny olona hatrany ny hiran’izy ireo.

Araka ny fantatra, eny Mandaniresaka Antsirabe no misy ny razana amin’izao. Mbola tsy navoakan’ny fianakaviana kosa ny mahakasika ny fandaharam-potoana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: