Chan 2023 : nomen’ny federasiona 30 000 000 Ar ny Barea

Notolorana volabe mitentina 30 000 000 Ar avy amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny ekipan’ny Barea de Madagascar, omaly. Mba ho fankasitrahana ny vokatra tsara azon’ny Barea nanoloana an’i Gha­na izany. Lavon’izy ireo ta­min’ny isa 2 no ho 1 ny Black Galaxies, ny alahady lasa teo, ta­min’ny fifaninanana Chan 2023.
Ankoatra izay, hotolorana vola 60 000 000 Ar avy amin’ ny FMF ihany koa izy ireo raha toa ka mandresy an’i Soudan amin’ny 23 janoary ho avy izao. Tsy mbola fantatra kosa ny fepetra raisin’ny Caf mahakasika an’i Ma­raoka.
Tsiahivina fa efa niarahaba ny ekipan’ny Barea ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: