HandBall – IHF Trophy U20 : resin’i Rwanda ny Akio de Madagasikara

Tsy dia tsara ny vokatra teo amin’ny lalao voalohany amin’ny fifaninanana “IHF Trophy continental U20” Afrika , ho an’ny Akio Madagasikara. Lavon’i Rwanda tamin’ny isa 43 no ho 27 izy ireo, tany Congo, ny omaly.

Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy, ta­min’ ny “IHF Trophy continental” Afrika ho an’ny sokajy U20 lehilahy. Lavon’i Rwan­da tamin’ny isa 43 no ho 27 ny Akio Madagasikara. Fi­haonana izay notanterahina tany Congo, omaly 16 janoary.
Raha hiverenana ny lalaon’izy ireo, ry zareo Rwanda no nitarika tamin’ny isa 24 no ho 15 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niezaka nanohitra ny ekipa malagasy teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, saingy tsy tafavoaka teo anatrehan’ireo rindrin’i Rwanda, ka lasa 43 no ho 27 ny isa nentina nisarahana.
Mbola manana fanantenana nefa ny Akio, mbola misy lalao efatra miandry azy ireo hahafahany manarina ny faharesena. Araka izany, hotanterahina anio, ny andro faharoa amin’ity fifaninanana ity, ka hifanandrina amin’i Nizeria, tompondakan’ ny “Zone 3”, izy ireo, ao amin’ny gymnase Nicole OBA.
Amin’ny andro fahatelo kosa, izany hoe, rahampitso no hifandona amin’i Congo, mpampiantrano ny fifaninanana, ny Akio malagasy. Hi­fanandrina amin’i Zimbabwe, mpandresy tao amin’ny “Zone 6”, ny Akio, amin’ ny andro fahefatra, lalao izay atao ny alakamisy ho avy izao. I Ginea, izay voalohany tao amin’ny “zone 2” indray no hihaona amin’izy ireo amin’ny andro farany ny fifaninanana, ny zoma 20 janoary ho avy izao.
Tsiahivina fa toy izao ny fizotran’ity fifaninanana ity, hifandimby hihaona daholo ireo ekipa dimy ireo, ka izay be isa indrindra no ho lasa eo amin’ny laharana voalohany na lasa tompondakan’ny “IHF Trophy continental”.
Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handehanana any Polona ity fifaninanana ity. Araka ny vaovao dia any Polona no hanaovana ny “IHF trophy Intercontinental”. Ka izay voalohany amin’ity fifanintsanana izay atao an’i Congo ity no mahazo izany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: