Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpilalao 42 hiatrika fampivondronana

Hiditra amin’ny fanomanantena, hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka (Can 2023), taranja rugby lalaovina olona 15 ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy. Mpilalao 42 mirahavavy no hiatrika ny fampivondronana, manomboka ny asabotsy 21 ja­noary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Saika mbo­la voatazona ao anatin’ireo nantsoin’ny mpanazatra, ireo mpilalao niaro ny voninahi-pirenena, tany Tonizia. Nisy kosa anefa ireo mpilalao vaovao. Anisan’ny manana mpilalao betsaka ao anatin’ireo nantsoina ny SCB Besarety sy ny FTM Manjakaray izay samy misy 11 avy.
Raha tsiahivina, firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’ity dia i Madagasikara, i Afrika Atsimo, i Kameronina ary i Ke­nya. Hanana ny lanjany io fihaonana io satria hiadiana ny tapa­kila hiatrehana ny “Mon­dial 2025”. Raha tsy misy ny fiovana, hatao eto Madaga­sikara, io lalao manasa-dalana io.

Tompondaka

Ireo mpilalao nantsoina

2è Ligne
Yvanah (SCB) ; Nofy (SCB) ; Laurencia (SCB) ; Modestine (FTM) ; Tsinjo Natiora (3FB) ; Monica (JSM) ; Eleonore Virginie (FTM)
3è Ligne
Sariaka (SCB) ; Felaniaina (FTM) ; Laurence (SCB) ; Violette (FTM) ; Nomenjanahary (3FB) ; Sarindra Delphine (FTM)
Ailier
Nasandratra (3FB) ; Olivia (CRAI) ; Ginah Christine (SCB) ; Jeanne Esthere (ASUT) ; Justine (3FB) ; Mialy Tiana (3FB) ; Tiana Jinah (SCB)
Arrière
Holiniaina Fabrinah (FTM) ; Maminiaina Claudia (FTM)
Centre
Marie Christine (FTFA) ; Veronique Eluriche (RCTS) ; Patricia (SCB)
Demi de Mêlée
Zaya Dinaharisoa (SCB) ; Fenohasina Joela (FTM) ; Vonjiniaina Prisca (3FB)
Ouverture
Marie Vachily (RCTS) ; Voahira Sophie (3FB) ; Valisoa Ericka (SCB)
Pilière
Miangola (ASUT) ; Voahangy Lalaina (3FB) ; Tiana Vololona (3FB) ; Annie Mariah (Fanja Anjanahary) ; Mamisoa (FTM) ; Volatiana Fanah (Sab-Nam) ; Fenitriniaina (FTM) ; Lalaina (FTM)
Talonneur
Nomenjanahary Aina (ASUT) ; Nanou Loulah (SCB) ; Bao Adora (ASUT)

Partager sur: