Volley-CCCZone 7 : handray anjara ny Bi’As

Hotanterahina ny 23 febroary hatramin’ny 5 marsa 2023 izao any Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), ta­ranja Volley-ball. Vonona ny solontena malagasy, izay ahitana ekipa 4 (3 vehivavy ary 1 lehilahy), rehefa neken’ny Kaonfederasiona afrikanina ny fandraisan’anjaran’ny Bi’As. Araka izany, ny Stef’Auto Toa­masina, ny GNVB ary ny Bi’As ny klioba malagasy ve­hi­vavy ary ny GNVB ny klioba malagasy lehilahy, hihazo an’i Maorisy.
Samy efa manao ny fiomanany avy ny klioba tsirairay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball, Ra­naivo­son Mamy. Nisy fivoriana natao teny Betongolo ny asabotsy lasa teo nanazavana sy nampahatsiahivana ny ho momba ny daty sy ny fepetra ary ny andinindininy rehetra mahakasika ny fandraisana anjara.
Neken’ny rehetra ny fepetra mipetraka. Nanatrika tao daholo ny solontenan’ireo ekipa handray anjara rehetra, raha ny fanazavana hatrany. Efa tafiditra ihany koa amin’ny fanomanana ny lalaon’ny nosy 2023 ity fifaninanana ity.

Mi.Raz

Partager sur: