Barea Chan : tafatafa nataon’ireo mpamono baolina

Rakoul, mpilalao namono baolina voalohany ho an’ny Barea Chan :
“Faly ny tenako satria anisan’ireo mpilalao namono baolina voalohany, tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Barea voalohany tamin’ny Chan 2023. Tombony ho anay teo ambony kianja ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Tanteraka koa ny nofinay, naharesy izahay. Faly ny tenako mandray anjara amin’ny Chan, efa betsaka ireo zoky efa naniry ny hiatrika izany. Hafa mihitsy ilay zavatra hiainanay amin’ny Chan ary manentana ny Malagasy rehetra mba hanohana hatrany ny ekipantsika. Alefa Ba­rea !”

Datsiry, mpilalao mendrika tamin’ny lalao voalohany tamin’ny Barea Chan :
“Tena faly aho ! Voaho­sotra ho mpilalao mendrika ny tenako tamin’iny lalao izay nihaonanay tamin’i Ghana iny. Vonona foana aho ny ha­nome ny tsara avy aty amiko ary manentana ny mpankafy Barea rehetra mba hanohana anay. Misaotra an’Andria­matoa Filoha Rajoelina An­dry ny tenako tamin’ny fanohanana rehetra nataony. I Ngolo Kanté, mpilalao frantsay sy i Messi, kintan’ny baolina kitra Argen­tine, no mpilalao ankafiziko ary miezaka aho ny mba hitovy amin’izy ireo. Alefa Barea !”

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: