Handball – “IHF Trophy U20”: resin’i Nizeria indray ny Akio de Madagascar

Mbola ratsy hatrany ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, tamin’ny “IHF Trophy continental” Afrika ho an’ny sokajy U20 lehilahy. Taori­an’ny nandavoan’i Rwanda ny Akio tamin’ny isa 50 no ho 29, ny alatsinainy lasa teo, mbola resin’i Nigeria tamin’ny isa 50 no ho 30 indray izy ireo, omaly. Araka ny vaovao voaray dia hita mbola lesoka ny vatana ho an’ny ekipantsika.
Lalao telo sisa izany no miandry azy ireo, hahafahany manarina ny faharesena nandritra izay roa andro izay. Araka izany, hotanterahina anio ny andro fahatelo amin’ity fifaninanana ity, ka hifanandrina amin’i Congo, mpam­piantrano ny fifaninanana, ny Akio. Aorian’io, hifanandrina amin’i Zimbab­we, mpandresy tao amin’ ny faritra fahenina, amin’ny andro fahefatra, lalao izay hatao rahampitso. I Ginea, izay voalohany tao amin’ny faritra faharoa indray no hihaona amin’izy ireo amin’ny andro faran’ny fifaninanana, ny zoma 20 janoary ho avy izao.
Araka izany, toy izao ny fizotran’ny fifaninanana, hifandimby hihaona daholo ireo ekipa dimy ireo, ka izay be isa indrindra no voahosotra ho tompondakan’ny “IHF Trophy continental”.

Fitia ( Mpianatra asa )

Partager sur: