Kitra – «Chan 2023»: mitarika vonjimaika ny Barea de Madagascar

Ekipa telo sisa miady toerana roa ao amin’ny vondrona “C” misy ny Barea de Madagascar sy i Soudan ary i Ghana. Anton’izany, ny tsy fandraisana anjaran’i Maroc. Nomena isa 3 avy hatrany ireo firenena telo mbola manohy ny fifaninanana.

Notinapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), nivory ny alatsinainy lasa teo, tany Alger fa “forfait” i Maroc, ao amin’ny vondrona “C”, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”. Fi­hao­nana tanterahina any Algérie ary natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina.
Araka izany, nomena isa 3 avy ireo firenena mbola ma­nohy ny fifaninanana. An­koatra izay, tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana izay ekipa roa voalohany ao amin’ity sokajy “C” ity. Ha­treto aloha, voalohany vonjimaika ny Barea de Mada­gascar, manana isa 6, taorian’ny fahavitan’ny andro voalohany, natao ny alahady lasa teo.
Manaraka azy i Soudan sy i Ghana samy manana isa 3, saingy manantombo amin’ny “goal average” i Soudan. Tsiahivina fa tsy hisy izany ny lalao faharoa, tokony hikatrohan’ny Barea de Madagascar amin’i Maroc rahampitso alakamisy. Raikitra kosa amin’io andro io ny fifanandrinan’i Ghana sy i Soudan.
Andrasana fatratra io lalao io satria hiankinan’ny lalan’ny Barea. Mangoron-damba avy hatrany i Ghana, raha resy eo. Tafita kosa ny Barea raha toa ka ady sahala ny an’ny roa tonta. Hiankina amin’ny lalao farany kosa izay ekipa faharoa hanampy ny Malagasy.
Ny fihaonana amin’i Sou­dan izany sisa miandry ny ekipam-pirenena malagasy. Lalao hatao ny alatsinainy 23 janoary ho avy izao. Tsy ao Constantine ny hanatontosana izany fa hifindra ao Oran, araka ny fandaminana.
Mandra-piandry izany, manohy ny fanomanantena ny Barea de Madagascar. Noha­mafisin’ny mpanazatra ny famonoam-baolina sy ny fiarovantena izay nahitana lesoka kely, tamin’ny fihaonana tamin’i Ghana.
Nampanantena fampirisih0na, 60 tapitrisa Ar, ho an’ny Barea ny federasiona malagasy (FMF), raha toa ka mandresy an’i Soudan, amin’ny alatsinainy ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: