Notanterahina, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny adina an-tsoratra tapany faharoa amin’ny fifaninanana fahatelo fandratovana polisy monisipaly 200 sy sampana mpamonjy voina 100. Efa nisy ny tapany voalohany tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny adina am-bava. Taranja efatra: fahalalana ankapobeny, Mathématique, Frantsay sy Malagasy no nanadinana […]
Mois : janvier 2023
Covid-19: 28 ny tranga vaovao, 5 misy fahasarotana
Fito ny faritra mbola misy trangana Covid-19 amin’izao fotoana izao. 28 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 449 natao ho an’ny herinandron’ny 7 hatramin’ny 13 janoary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Dimy ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy ho an’ny herinandro farany. 39 […]
Zone de convergence intertropicale : tsy mbola ahina hivadika rivodoza, hoy ny Meteo
Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso. Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry […]
Kitra any ivelany: taitra tamin’ny tenin’i Pep Guardiola ny rehetra
Taorian’ny nandavoan’ ny ekipan’ny Manchester United, tamin’ny isa 2 no ho 1, an’ny Manchester City, tamin’ny “Premier League”, namoaka vava i Pep Guardiola, mpanazatra ny Man City, ny asabotsy lasa teo. Nilaza izy fa “efa azonay daholo ny amboara rehetra taty Angletera ka tsy olana aminay intsony na mandresy izahay […]
Fetiben’ny basikety Analamanga : misokatra ny taom-pilalaovana 2023
Miisa 48 ireo klioba eto Antananarivo, tonga nanatrika ny fetiben’ny Basikety teny Mahamasina, ny asabotsy lasa teo. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fety io mantsy ny taom-pilalaovana 2023. Araka izany dia nisy ireo lalao famaranana ny taona 2022, teo amin’ny sokajy U19 vehivavy sy lehilahy ary ny N1B. Voahosotra […]




