Mois : janvier 2023

Ceni : “Hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena”

“Iza no miteny hoe tsy ho raikitra ny fifidianana filohan’ny Repoblika?” hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fiarahaban’ireo rantsamangaikan’ny Ceni, faritany Antananarivo, azy teny Alarobia, ny faran’ny herinandro, manoloana ny fangatahana ny momba izay fi­fidianana hatao. Araka iza­ny, fifidianana filohan’ny Re­poblika no hatao amin’ity taona ity. […]

Fanovana governemanta: mitaky fikaonandoha ny HPM

“Tsy ratsy ny fisokafana. Raha hanao an’izany ihany ny fitondrana: ataovy aloha ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny Hery politika mitambatra (HPM), Ralison Roger, ny amin’ny hoe fanovana na fanamboarana ny governemanta. Izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena izay, fantatra ny vonona hiditra ao amin’ny governemanta. Manara-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra […]

Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo! “Tokony hipaka eny ifotony ny tena fitsinjaram-pahefana”

Nidina ifotony tany Antsirabe sy Betafo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiainam-pirenena. Nihaona tamin’ny va­hoakan’ny kaominina Antohibe, any Betafo ny MMM, ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho […]