Mois : janvier 2023

Mamono afo

Mirehitra ny afo, matoa misy mamono afo. Izay ny toe-draharaha etsy sy eroa, tsy hita be ihany amin’izao? Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, tsy mampatoky tena sy mila tsy ifampatokisana. Hatramin’ny olona ampiasaina na namana avy izao no misy mivadika, manoro hevitra na miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy. Manahirana […]

Fandrobana 100 tapitrisa Ar: roa lahy lavon’ny polisy, tratra ny mpampanofa basy

Ankoatra ireo jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, tratra ny mpiasa iray ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mpampanofa basy ireo jiolahy… Tsy niandry ela ny poli­sin’ny Fip, nanoloana ny fanafihan-jiolahy mi­tam-piadiana mahery vaika tao amina mpandraharaha jirofo iray tao Tanamakoa Toamasina, ny zoma teo fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Vola […]

Ankadimbahoaka : mirongatra ny fanendahana

Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina teny Ankadimbahoaka ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana. Fantatra fa isan’ireo toerana malaza ratsy amin’ny fanendahana iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina hatrany amin’ny fasan’ny Karana iny. Mano­loa­na izany, nametraka paikady ny polisin’ny CSP5 ta­min’ny alalan’ny fametrahana polisy manao […]

Ambatomena-Fianarantsoa: lasan’ny jiolahy ny zava-maneno tao am-piangonana

Efa mihanika hatrany anaty tranom-piangonana ireo mpangalatra ao Fianarantsoa. Lasan’ny olon-dratsy ny zava-maneno tao amin’ny Ekar Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 15 janoary teo. Nila­tsaka avy any amin’ny tafo ireo mpangalatra. Tsy nihetsika arak’izany ny varavaran’ny fiangonana ka tsy naha rototra ireo manodidina. Rehefa ha­natrika lamesa maraina […]

Trano nilatsaham-potaka : efatra mianadahy namoy ny ainy

Nilatsaham-baratra ka nahafatesana olona telo tao amina tokantrano iray ao Ampandrambe, fokontany Ambararatasarotra, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 12 janoary teo. Tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, samy tao an-trano ireto fianakaviana ireto. Nipoaka tampoka ny varatra. Efa tafiditra tao an-trano anefa izany ka nirehitra ny tafo. May nandritra io ny lehilahy […]