Mois : janvier 2023

Raharaha Anja: hiakatra fampanoavana anio ireo mpampiasa azy

Hiatrika ireo mpitsara mpanao famotorana ao Mia­rinarivo androany ireo olona telo voasaringotra tamin’ity raharaha ity.Isan’izany ireo mpivady nampiasa azy sy ny mpamily nitondra ilay vata-mangatsiaka. Vesatra hanenjehana an’ireto mpivady nampiasa azy ny fampiasana ankizy tsy ampy taona raha toa ka tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mitondra razana kosa ny an’ilay mpamily. […]

Tsy ho rebireben’ny mpandrabiraby

Efa niparitaka any anaty fitaovan-tserasera samihafa, any anatin’ny departemanta isan-karazany any fa ho tara ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity volana ity. Efa misy ny antso avo ataon’ny lehibe isan-tsokajiny amin’ny mba hisian’ny fitoniana sy fanajana hatrany ny lamina. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony fa ny hany azo ambara, eo am-pitadiavana […]

Nilalao basy : zanaka zandary nahafaty ny namany

Nirefotra tampoka ny basy nentin’ny tovolahy iray, zanaka zandary, ny asabotsy teo. Maty voatifitra ny namany izay niray lakana taminy. Maty voatifitra tsy nahy ny tovolahy iray, niala sasatra tany Mananara Avaratra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka zandary, nilalao ny basim-boron’ny rainy. Raha ny loharanom-baovao voaray, […]

Fakana an-keriny : tratra ireo jiolahy nitaky 200 tapitrisa Ar

Noraisim-potsiny! Voa­sambo­try ny polisy teny Ma­hazo sy Ambositra ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana tovolahy iray 20 taona tany Anosibe An’ala. Naharay fitarainana avy amina fianakaviana iray mipetraka any Ambo­sitra ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy fa naharay “sms” mitaky vola 200 tapitrisa Ar […]

Nambanana basy : voaroba ny moto sy ny antontan-taratasin’i Pasitera

Miseo lany ary tsy mifidy olona hanaovan-dratsy intsony ireo jiolahy ao amin’ny fa­ritry Toamasina. Mpitandrina sady lehiben’ny fikambanan’ny fiangonana ao an-toerana indray no lasibatra ny alarobia 4 janoary teo. Hijery ny fiarany nampanamboarina, nandrasan’ny jio­lahy mitam-piadiana teo amin’ny toerana mangingina ny pasitera, filohan’ny sinodam-paritany iray ao Toa­masina ny alarobia teo […]