Mois : janvier 2023

Vidim-bary: « Hampiharina amin’ireo mpanararaotra ny sazy »

Handray ny andraikitra tan­drify azy ny minisitera mi­sahana ny varotra sy ny Fan­ji­fana. «Ny fandikan-dalàna na fanafenana entam-barotra, toy ny vary dia hiharan’ny sazy henjana. Eo koa ny sazy amin’ny maha mpivarotra azy», hoy ny tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC), Razanakoto Isidore, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny […]

Faritra Menabe: tsara ny voka-bary, voanjo sy tsaramaso tamin’ny 2022

Tsara toerana ny faritra Menabe tamin’ny taon-dasa 2022 teo amin’ny fambolena nahafantarana azy hatramin’izay. Tohizana amin’ity taona izany fanatsarana ny kalitao sy ny fampitomboana ny vokatra izany. Mitohy ny fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra Me­na­be tamin’iny 2022 iny. Distrikan’i Mahabo no voalohany amin’ny famokaram-bary. Tafakatra 580 000 t ny voka-bary […]

Faritra Atsinanana : velaran-tany 3.572 ha voavoly hazo

Tratra ny tanjona tamin’ny fambolen-kazo taona 2022 ho an’ny faritra Atsinanana. Vela­ran-tany nirefy 3.572 ha no voavoly hazo nandritra ny taona iny. “Efa nihoaran’ny faritra Atsinanana ny fanamby ho an’ny taona 2022 izay tokony nambolena hazo ny velaran-tany 3.000 ha”, hoy ny talem-paritry ny totolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Tezena […]

Besakoa sy Ambohitsabo-Toliara: nanangana fikambanana ny mponina

Nanangana fikambanana ny mponina any Besakoa sy Ambohitsabo, hiarovan’izy ireo ny tombontsoany, mba hi­hainoana ny feony sady hitakiana ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Doroky Lovasoa Michael, Fikambanana Vezo Tea Longo (Fivetelo, fikambanana miaro ny tombontsoan’ny mpanjono) Hamidy any an-tanàn-dehibe ny hazandrano azonay, na koa hohaninay, fa hafa mihitsy raha misy […]