Andriambilany : mpitondra scooter maty tsy tra-drano

Nandeha mafy loatra ! Maty teo noho eo ny mpitondra moto scooter iray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito PK 59 + 020 teo amin’ny tanànan’Amboni­riana, kaominina Andriambilany, distrikan’ Amba­to­lampy, omaly. Niditra fiolanana teo amin’io toerana io, tsy voafehin’ny mpitondra azy ny familiana ka nisosa nanaraka ny arabe ilay moto. Tsy tafarina , noho izany, ilay mpitondra moto izay naratra mafy. Namoy ny ainy ity farany. Tetsy ankilany, nifatratra tany anaty tatatra ny fiara taksibrosy iray taorian’io moto io. Nahita ny fahavoazan’ilay moto izy ka niezaka niala izany, raha ny nambaran’ny zandary. Tsy nisy naratra kosa ny mpandeha tao anatin’ity fiara.

Fiara nivadika
Fiara karetsaka iray nivadika tetsy Andohatapenaka, omaly. Nifandona tamin’ny Bmw iray teo amin’ny fiolanana ity fiarakely ity ka niezaka niala ny mpamily roa tonta. Nahazo ny sisin-dalàna ka nilatsaka tamin’ny tatatra anefa ny kodiaran’ilay fiara karetsaka, io nitarika ny fivadihany. Nifatratra tamin’ny fiara sprin­ter iray nanatrika azy kosa ilay Bmw. Voatondro ho nandeha mafy ity farany. Tsy nisy ny aina nafoy fa potika tanteraka ny lohan’ny fiara nifandona.

Tsiferana R.

Partager sur: