Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja volley-ball, sokajy D1. Ekipa zandary telo tafita no hiatrika ny famaranana dia ny GNVB 1 sy 2 eo amin’ny lehilahy ary ny GNVB 1 eo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’ny GNVB 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/23 ; 25/11) ny ASI Itaosy ary ny Squad kosa nanilika ny GNVB 2 tamin’io seta 3 no ho 0 io ihany koa (25/22 ; 25/23 ; 25/12). Hifandona eo amin’ny famaranana izany ny Squad sy ny GNVB 2. Teo amin’ny lehilahy, ny GNVB 1 nampiondrika ny Cosfa 2, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/16 ; 25/22 ; 25/16) ary ny GNVB 2 nandresy ny ASI 1, seta 3 no ho 0 (25/20 ; 25/214 ; 28/26). Teo amin’ny seta fahatelo vao tena nanohitra ny mpilalaon’Itaosy saingy nanatombo teo amin’ny traikefa ry Mamizara sy ny namany. Adin’ny samy zandary izany ny famaranana ho an’ny lehilahy. Marihina fa ekipan’Analamanga avokoa ireo hiatrika ny famaranana ireo. Hotanterahina anio, etsy Ankorondrano hatrany ny lalao.
Tompondaka





