Andro miavaka amin’ireo manamboninahitra lefitra ny 01 febroary, nankalazaina nandritra izany koa ny faha-60 taona ny sekolim-pirenena manofana azy ireo.
Andro manan-tantara ho an’ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy ny 01 febroary. Omaly, feno 60 taona ihany koa ny sekolim-pirenena ho an’ny manamboninahitra lefitra “ENSOA”. Nankalaza izany ny foloalindahy malagasy manerana ny Nosy. Nisongadina manokana tamin’io andro io ny fanokanana ireo fanavaozana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa maro sy mendrika ho an’ny tafika malagasy. Fa indrindra ireo mifandraika tanteraka amin’ny hitsin-drafitrin’ny foloalindahy malagasy. Manan-danja sy andry iankinan’ny tafika malagasy ny manamboninahitra. Araka izany, nanome voninahitra io andro malaza io ny etamazaoro efatra ivondronan’ireo tafika etsy Andohalo, ny etamazaoron’ny tafika an-tanety eny amin’ny Digue. Ao koa ny etamazaoron’ny tafika an’habakabaka sy an-dranomasina etsy Anosy. Toy ny fanao mahazatra, nanaraka ny fomba miaramila ny avy eo anivon’ny etamazaoro efatra. Araka izany, ny zandriny indrindra amin’ireo manamboninahitra lefitra no mandray ny fibaikoana. Nisy ny hazakazaka natao taorian’ny fananganan-tsaina. Niarahaba sy nirary soa ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny etamazaoron’ireo tafika manokana ny solotenan’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo tafika, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Ankoatra izay, nomarihin’ireo avy ao amin’ny etamazaoron’ny tafika an-tanety tamin’ny fambolen-kazo teny an-toerana ny hetsika. Nanaraka izany ny fizarana harona feno ho an’ny ireo manamboninahitra lefitra. Fiaraha-misakafo kosa no namaranana ny tontolo andro.
Nanofana manamboninahitra
Namoaka manamboninahitra aman-jatony maro ny ENSOA hatramin’ny taona 1963, taona niorenany. Mbola nitondra ny anarana “corps de service civique” izy ary nitoby tao Fort-Duchesne tamin’izany. Taty aoriana, niova anarana maro ity sekolim-piofanana ity nialohan’ny nitondrany ny anarany amin’izao. Nandritra izany fotoana izany, tao Antsirabe ary nifindra tao Beravina Fianarantsoa ny
toeram-piofanana. Ny taona 1994 kosa no nivadika ho “Ecole Nationale des sous-officiers de l’armée” (ENSOA) ity sekolim-panofanana manamboninahitra lefitra ity.
Henintsoa Hani




