Notokanana ny 9 janoary 2023 teo, ny masoivohon’ny banky Société générale (SG) Madagasikara, vao nohavaozina eny Ampefiloha. Naharitra telo volana ny asa, ka nohatsaraina tanteraka ny fotodrafitrasa samihafa. Mampiavaka ity masoivoho ity koa ny fisian’ny toerana manokana ampiasana ny teknolojia niomerika, Digital corner, ka mahaleo tena tanteraka ny mpanjifa raha te hahafantatra ny vaovao mikasika ny kaontiny. Azony ataony ny mijery ny kaontim-bolany, rehefa mampiasa ny «application SG-Connect», na koa mamindra vola ho an’olon-kafa, ny mijery ny «site web»-n’ny orinasa, azo hijerena ny tolotra samihafa, sns.
Sambany ampiasain’ny banky SG Madagasikara koa ny fitaovana niomerika hiaka farany amin’ny i-laharana, mandahatra ny mpanjifa, ka natao filamatra ny eny Ampefiloha. Efa miavaka ny mpiasa mandray ny mpanjifa arakaraka ny filany avy, fa tsy voatery ny eo amin’ny mikirakira vola irery intsony.
Nohatsaraina koa ny endriky ny birao, mazava, sady manaraka ny vanim-potoana. Ankoatra ny eny Ampefiloha, efa vita koa ny fanatsarana ny masoivohon’ny SG Madagasikara eny Tsaralalana, ny any Antsiranana, Ambatobe, Toliara Sanfil ary Ambilobe.
Njaka A.




