Talen-tsekoly anarivony ao amin’ny Dren 23 no hisitraka fanofanana mikasika ny tan-tsoroka an-tsekoly. Hitohy amin’ny Dren rehetra ny fanatanterahana izany.
Notanterahina ny 30 desambra teo ary hifarana anio ny dingana fahatelo amin’ny fampiofanana mikasika ny fampiroboroboana ny tan-tsoroka an-tsekoly. Tanterahina amin’ireo foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) miisa 23 izany.
Miisa 2 615 ireo talen-tsekoly hisitraka ny fampiofanana. Tanjona ny hananan’izy ireo ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny sekoly sy ny fampiroboroboana ny fampianarana ao aminy, indrindra ny fandrindrana ny asa.
Natomboka tamin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena teto Analamanga, Itasy, Bongolava, Amoron’i Mania, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe sy ny fari-piadidiam-pampianarana Manakara no nanaovana ny fampiofanana.
Misy ireo toerana mbola tena saro-dalana vokatry ny andro ratsy teo ka izay no anton’ny fandrindrana. Hitohy izany ho an’ny Dren hafa, hatao ny 7 ka hatramin’ny 10 febroary izao. Anisan’ ny hanohizana ny hetsika
ny any Diana, Sava, Sofia, Betsiboka, Boeny, Melaky, Menabe, Analanjirofo, Vakinankaratra, Fitovinany ary Anosy
Tanterahina eny anivon’ny foibe fampivondronana miisa 26 manerana ny Foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN) miisa 23 ny dingana fahatelo amin’ny fampiofanana ny talen-tsekoly hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny asany.
Tatiana A




