Ihosy : kamiaobe tratra nitondra vato Lepidolite

Tratran’ny zandary tao Sahambano Ihosy, ny 29 janoary 2023 tamin’ny 8 ora maraina, ny kamiaobe iray nitondra vato tsy misy taratasy mazava. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana no nahatrarana ity kamiaobe niaraka ta­min’ireto vato tsy ara-dalàna milanja enina taonina ireto. Karazam-bato antsoina hoe Lepidolite ireto tratra ireto, araka ny fanazavan’ny zan­dary. Tsy mazava ny antontan-taratasy rehetra ahafahana mitondra izany. Nilaza ny tompon’ireo vato nandeha tamin’ilay kamiaobe fa hoe mbola any Toliara ny taratasy sasany manazava ny momba azy. Notaterina avy any
amin’ny kariera ao Andakana, kaominina Sahambano, dis­trikan’Ihosy ity karazam-bato ity, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary hatrany. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary ka natao ao amin’ny trano fitahiri­zan’entana ao amin’ny zandary ireto vato ireto mandra-pahatonga ny taratasy rehetra manamarina ny fahafahana mitondra azy ireo. Nogiazana ihany koa ilay kamiaobe taorian’ny fampidinana ny vato. Nantsoina avy hatrany ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany mba hahafahana manohy ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: