« Inspecteurs de la Jeunesse et des Sport » : Ramaroson Toavinirina no filoha vaovaon’ny sendika

Notanterahana, omaly, tetsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina, ny lanonana fifamindram-pitantanana, teo amin’ireo filohan’ny syndicat des inspecteurs de la Jeunesse et des Sports teo aloha sy ny vaovao. Nambaran’i Léandre Charles, izay nitantana teo aloha, fa mafy ny ady natrehana nandritra izany, saingy ho tombontsoan’ny mpikambana namana no nijoroana sy niadiana. Nampahatsiahiviny fa anisan’izany ny fitakiana fampiakaran-karama ho an’ny mpiasam-panjakana, izay narahin’ny fitondram-panjakana. Marihina fa mpikambana anatin’ny « Grand corps de l’Etat » ity « syndicat des inspecteurs de la Jeunesse et des Sports» ity. Nisaotra ny ezaka sy ny zava-bitan’ny teo aloha kosa Ramaroson Toa­vinirina, filohan’ny sendika vaovao. Nampahatsiahy izy fa manan-jo aman-kasina sy ny adidy ary andraikitra tanteraka, hiaro ny mpikambana ny sendika. Hatreto, hoy izy, dia ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanja­han­tena ihany aloha no sehatra hahafahan’ny «Inspecteurs de la Jeunesse et des Sports » miasa. Nanamafy ny tenany, fa tsy handeha irery fa ao ireo rahalahy sy anabavy aoriany, izay miara-miasa aminy. « Mi­aloha ny nanekena sy nandraisana ny andraikitra, efa nandeha tany amin’ireo ambaratonga rehetra ny tenako », hoy ity filohan’ny sendika ity. Nomarihin’ingahy Toa­vina, fa izy irery ihany sisa no « inspecteur » teo aloha am-perinasa. « Archives sy dictionnaire ho antsika ireo zokibe ireo », hoy hatrany izy. « Mahamay izy ity, fa isika tsy hiditra handrehitra na hamono afo, ary hiara-kiasa amin’ny sendika rehetra », hoy i Toavina.
Nanatrika ity lanonana ity ny filohan’ny « Fédération des Syndicats des Grands Corps de Madagascar », Paolo Emilio Raholinarivo So­lonavalona. Tamin’izay no nilazany fa mafimafy ihany izy ity, misy ny « obligation », ary natao « balise » ny sendika fa tsy hanohitra ny fitondrana. Manao antso ny tenany, ny amin’ny tokony hametrahana amin’ny toerany ny teknisianina. Omeo hasina izy ireny, hoy izy, izay manentana ireto « inspecteurs de la Jeu­nesse et des Sports », mba hiaro ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ireo.

Mi.Raz

Partager sur: