Kaominina Ampitatafika : nidina hatramin’ny 112 sisa ireo traboina

Nidina hatramin’ny 112 isa ireo traboina teo anivon’ny kaominina Ampitatafika an­kehitriny, raha ny tatitra voaray. Tany am-piandohana, niisa 450 isa izy ireo vokatry ny rivodoza Cheneso. Nitom­bo hainganabe izany ka nahatratra 830. “Ny fidinan’ny rano eny amin’ny toerana fonenan’izy ireo ny antony”, hoy ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Nahitana traboina ny fokontany miisa telo tao
amin’ny kaominina. Tafiditra tamin’izany, ny fokontany Atsimombohitra, Ambohi­man­gidy ary Ampitatafika vaovao. “Nisedra olana izy ireo teo amin’ny famindrana ireo traboina ireo satria tsy nahazo nandray traboina ny sekolim-panjakana”, hoy ha­trany izy. Nafindra toerana indroa ireo traboina manoloana io olana io. Nohamafisiny fa tsy nisy nety nandray ny traboina ny toerana nanontaniana rehetra afa-tsy ny FJKM irery ihany. Nanomboka ny volana oktobra 2022 ny kaominina Ampitatafika no niomana tamin’ny fiatrehana ny loza sy ny fandraisana ireo traboina.

Hakana hevitra ny kaominina tsirairay
Manoloana ny tranga toy izao, tokony hakana hevitra ny kaominina tsirairay, ary ametrahana fitokisanaizy ireo, hoy hatrany ny ben’ny Tanà­nan’Ampitatafika. “Tanjona iraisana ny hamonjy ny traboina tsy manana trano fonenana indrindra ireo olona mipetraka eny akaikin’ny fe­filoha”, hoy izy. Tonga nanome tolo-tanana ireo traboina ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, ny mpitsabo, ny kaominina, ny zandarimaria ary ny BNGRC. Marihina fa efa nentanina ho mailo hatrany ireo mponina rehetra manoloana ny hamainan’ny andro taorian’ny rivodoza. Mba hialana ny loza sy ny firodanan’ny trano na tamboho tampoka.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: