Araka ny didim-pitantanana “ordonnance” laharana faha 191-CC/CAT/Toa/22 nosoniavin’ny filoha voalohany misahana ny sampam-pitsarana eo anivon’ny fitsarana Ambony Toamasina, nisokatra ny 5 desambra 2022 ny fotoam-pitsarana andiany faharoa ho an’ny “cour criminelle ordinaire, cour criminelle special aggravée de Toamasina. Voakasik’izany ireo toerana misy fitsarana ambaratonga voalohany anatin’ny faritany Toamasina, Ambatondrazaka, Moramanga, Vatomandry, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina. Mitontaly 228 ny antontan-taratasin’ady amin’ireo distrika dimy ireo izay mitsinjara ho toy izao : Ambatondrazaka 61, Moramanga 16, Vatomandry 49, Fenoarivo Atsinanana 30 ary Toamasina 72. Nisongadina tamin’ny fotoam-pitsarana ho an’i Toamasina, ny fiakaran’ny tahan’ny loham-piampangana momba ny vonoan’olona sy ny fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izay nahatratra 27, faharoa ny fanolanana ankizy latsaky ny 15 taona sy fanolanana ankizy latsaky ny 4 taona ary ny fanolananan mitarika fahafatesana. Telo ireo trangana vaky fsana arahina halatra taolam-paty sy fanampoizinana ary iray kosa ny loham-piampangana momba ny fanambadiana zanaka. Teo koa ny trafikana rongony mahery vaika, hosoka sy fanaovana hosoka ary ny fanodikondinam-bola tamina orinasa. Didy fanamelohana asa an-terivozona mandra-pahafatiny miisa telo sy didy fampisamborana hatramin’ny folo no mivoaka. Anisan’izany ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny fokontany Antenina Kaominina Mahavelona Foulpointe, araka ny antontan-taratasin’ady faha 027-toa/11-7528-RP/10.
Sajo/J.C




