Vakinankaratra : zanakazo 6.225 voavoly tany Antsahatanteraka

Natao, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Nita­rika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Rtoa Vina Marie-Orléa sy ny go­vernoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vy Vato.
Nanotrona ny fotoana koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rako­tonirina Richard sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rtoa Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana. Miisa 6.225 ny zanakazo nambolena, miampy voany hintsy miisa 100.000 tamin’ny velaran-tany 10 ha.

Nahavita koa ny Move up Madagasikara
Tontosa ny 28 janoary teo koa ny fambolen-kazo na­taon’ny fikambanana Move up Madagasikara teny Antsa­hadinta Antananarivo. Mahe­rin’ny 200 ny nandray anjara, namboly zanakazo miisa 1.500 tamin’ny velaran-tany 2 ha.
Tsiahivina fa lohahevitra noraisina amin’ity taona 2023 ity ny hoe «Izay mamboly hazo, mamelona aina; izay mamboly hazo, mamelona an’i Madagasikara».
Tanjona iombonana amin’ ny handrakofana maitso an’i Madagasikara. Fepetra raisina ny hikojakojana ny zanakazo novolena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: