Loholona Manasoa Donat Tang : “Aleo hamita ny asany ny filoha”

“Omena malalaka hanapitra ny fe-potoam-piasana no­men’ny vahoaka azy. Ny dimy taona iasany omen’ny lalàmpanorenana azy. Aleo ny filohan’ny Repoblika hi­asa ankalalahana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona voafidy tany amin’ny faritan’i Toama­sina, i Manasoa Donat Tang.
Lavin-dry zareo ny fomba mbola hieritreritra hoe hanao fitondrana Tetezamita aty amin’ny fotoana amaramparanana ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika napetraky ny lalàmpanorenana sy ny vahoaka tamin’ny fomba de­mokratika. Famonoana ny vahoaka efa ao anatin’ny fa­hasahiranana mangitsokitsoka izao izany.
Fomba fitadiavana seza mora foana izany eritreritra hametraka fitondrana Teteza­mita izany. Nambarany fa efa miroso amin’ny fanatanterahana fididianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Nohama­fisiny koa fa efa misokatra amin’ny olona sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra ha­hazoana ny tetibola hamatsiana ny fanatanterahana io fifidianana hatao amin’ny faramparan’ny taona io ny mpikarakara.

R. Nd.

Partager sur: