Fivoriana teny Iavoloha : tazonina ho 250 dolara ny kilaon’ny lavanila maina

Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina ireo mpandraharaha amin’ny lavanila, ny alakamisy teo teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Isan’izany ny mpamokatra, ny mpikarakara,ny mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana any ivelany. Nanatrika ny fotoana koa ny minisitry ny Toeka­rena sy ny tetibola sy ny In­dostria (MEF), ny varotra ary ny fanjifana (MICC) ary ny tale jeneralin’ny haban-tseranana.
Araka ny fantagahan’ny mpanondrana any ivelany, nekena ny hitazonana ny vidin’ny lavanila maina ho 250 dolara ny kilao. Mano­loana izany, tsy maintsy manavao ny fahazoan-dalany ireo mpanondrana any ive­lany, hatramin’ny 13 fe­broary 2023 ho avy izao. Ho­mena fe-potoana 15 andro izy ireo, hividy ny lavanila any ifotony araka izay lanja nahazoany fankatoavana. Raha tsy tanteraka izany na misy ny tsy tomombana, ho raisin’ny fanjakana ny am­bin’ny lavanila tsy novidiana, ka hotsinjaraina amin’ny mpandraharaha hafa, izay homena fahazoan-dalana vaovao.

140 dolara ny lavanila « cuts »
Etsy ankilany, hitety firenena ny fanjakana sy ny mpanondrana any ivelany, hametraka paikady hikarohana mpividy ny lavanila malagasy, izay sangany maneran-tany. Azo ataon’ny mpanondrana ny mivarotra ny lavanila antsoina hoe « cuts » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Izany hoe, ireo manana tahan’ny tsiro lavanila (vanilline) latsaky ny an’ny lavanila « gourmet », ka hatramin’ny taha 10% no azo ekena araka ny fahazoan-dalana nomena. Neken’ ny mpivory rehetra teny Iavoloha, omaly, ny hame­rana ny lavanila « cuts » ho 140 dolara ny kilao.
Nomen’ny filoha Rajoe­lina toromarika ny minisitry ny MICC sy ny tale jenera­lin’ny ladoany, handray fe­petra hentitra sy henjana amin’ireo izay mikasa hanao hosoka na fanambarana diso.

Njaka A.

Partager sur: