“Eo amin’ny hoe kandidàm-panjakana sy ny kandidà tsotra no tena olana amin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izay tsy misy lalàna mifehy azy”, hoy ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly.
Manana tombondahiny kokoa ny kandidàm-panjakana noho izy manana fahefana sy mampiasa izany, mampiasa fitaovam-panjakana… Nefa voararan’ny lalàna izany. Tokony haha sarotinikely ny mpanara-maso fifidianana dieny izao izany.
Tsy misy amaritana hoe fampielezan-kevitra na tsia ny fijerena manokana ny sosialim-bahoaka amin’izao. Fomba fiadin’ny mpanao politika izay. Rehefa mitady na maka fahefana, mitady sy manao ny fomba rehetra. Ny tena olana: ny fitoviana lentan’ny kandidà. Aty am-boalohany dia efa hita fa tsy mitovy lenta ireo kandidà.
Ilaina ny fampanajana ny fanjakana tan-dalàna sy ny demokrasia
“Ny fampanajana ny fanjakana tan-dalàna sy ny demokrasia no azo atao”, hoy izy hisorohana an’izay tsy fitoviana lenta izay. Rehefa misy, ohatra, mahazo mamory vahoaka, misy tsy mahazo; misy mahazo manolotra fanomezana, misy tsy mahazo. Tsy tokony hisy ny sakantsakana. Tsy voatery hitovy ny fahafaha-manaon’ny kandidà. Tsy mbola misy ny famerana ny vola azo ampiasaina amin’ny fifidianana rahateo ny lalàna. Tsy misy mandrara ny fanomezana fanampiana. Na ny fitokanana zava-bita aza, tsy tokony hisy intsony ao anatin’ny mialoha ny fampielezan-kevitra.
“Tsy voafaritra mazava ny fe-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Manolo-kevitra izahay hoe farafaharatsiny enim-bolana mialoha ny fifidianana izany”, hoy ihany izy. Mba efa hita taratra ny kandidà. Ferana ao anatin’ny antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahan-kofidina, ohatra, ny olona mba efa mipetraka enim-bolana farafahakeliny eto ny kandidà. Ny dikan’izay, raha tonga eto izy: efa tokony hiditra ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra.
R. Nd.