Hontosaina ny asabotsy 18 Aprily hatramin’ny Alahady 19 Aprily 2023, ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy ny lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona Afrikanina. Ao Addis-Abeba, Ehiopie, no hanatanterahana ity fivoariana ity. Fivoriana izay miditra amin’ ny andiany faha -36. Lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity ny fanafainganana ny fametrahana ny Zone de Libre-Echange Continental Africaine na ZLECAF.
Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, natao ny 8 febroary 2023, ny fandraisan’ anjaran’i Madagasikara amin’ity fivoriam-be faha 36 ity. Ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no hitarika ny delegasionina malagasy amin’izany.
Isan’ny zava-dehibe hodinihana mandritra ity fivoarina ity ny mahakasika ny ZLECAF. Efa ny taona 2012 no nivoaka ny fanapahan-kevitra hanatanterahana ny tetikasa, nandritra ny fivoriam-be ara-potoan’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha 18. Ny 21 marsa 2018, tao Kigali no nanaovan’ny firenena 44 isa ny sonia. Marihina fa tsy anisa’ny nanao sonia tamin’izany i Madagasikara.
Tanjona amin’ny fananganana ny ZLECAF ny hametraka ny fototra hiakaran’ny sendikan’ny fadintseranana eto amin’ny kaontinanta amin’ny dingana manaraka. Tombony lehibe ho an’ny firenena Afrikanina ny fisian’ny ZLECAF. Hanamora ny fifandraisana sy ny fifanakalozana izany ka hampisy akony eo amin’ny toekaren’ny firenena tsirairay avy.
Lin (Mpianatra asa)