Anisan’ny nihaona tamin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny vovonana “Lera”. Tafiditra amin’ny dingana, mialoha ny fifidianana izany, hoy ny depiote Razara Pierre na i “Del kely”.
Notaterin’ny solombavambahoaka Razara Pierre tao amin’ny fandaharana Miara-manonja (MM), ny herinandro teo fa ilaina ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra ary mangaraharaha. “Aleo misoroka dieny zao mba tsy ho tonga amin’ny fifandonanana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny nifampiresahana ny momba izany. Teo koa ny nitondrana sosokevitra isorohana korontana. Tsy misy mahavidy aina izany eto. Saropady ny aina, araka ny nambarany. “Politika no atao ary aleo ampiadiana ny hevitra hisorohana ny fifandonana. Miala nenina raha mbola azo atao”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa ahitana ny sokajion’olona rehetra ny “Lera”. Anisan’izany ny filoham-panjakana teo aloha, ny depiote sy loholona.
Tsy manohana olona
Eo koa ireo efa nisahana andraikitra maro teto amin’ny firenena. Sehatra malalaka andraisan’ny rehetra anjara eo amin’ny adihevitra io vovonana io, araka ny nambarany. “Mitaky fifidianana eken’ny rehetra sy madio ary mangarahara fa tsy misy resaka fanohanana olona. Samy manao ny asany any anaty antoko anefa na izany aza”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa nampanantsoin’ny eo anivon’ny Pnud maika ny avy amin’ny birao foibe FFKM herinandro vitsy lasa izay. Voaresaka ny fiainam-pirenena sy ny momba ny fifidianana ary koa ilay fikaonandoha, karakarain’ny fiangonana amin’ny volana aogositra ho avy izao, ka iantsoany ny zanany rehetra.
Synèse R.




