Mirongatra ny fifindra-monina, indrindra ny an-tanàn-dehibe, ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Manerantany izany tranga izany fa tsy ny eto Madagasikara ihany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny fitsidihana ara-pombam-pifanajana ny tompon’andraikitry ny tananan’Antananarivo, nataon’ny talem-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika, Ashraf El-Nour. Ny anton’ny fifindramonina, ny […]
Mois : février 2023
Hetsiky ny Fimpima: ho foana ny fiantsonana eo Analakely
Ho fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan’ny fikambanan’ny mpikambary malagasy (Fimpima), hotanterahina eny Analakely sy ny manodidina. Nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny ho fanafoanana ny fiantsonan’ny taksibe rehetra manaraka ny araben’ny Fahaleovantena miainga eo amin’ny Miniso Life ka hatreny amin’ny Pizza mania anio. Manentana ny mpampiasa lalana hanaraka ny […]
Fahasalamana: mahaaro karazan’aretina 11 ny fahavitana ny vaksiny alohan’ny roa taona
Namerina nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fahavitan’ny vaksiny tokony hatao mialohan’ny faharoa taonany ny tompon’andraikitry ny vaksiny etsy Befelatanana. Mahavita miaro ny zaza amin’ny karazan’aretina 11 ny vaksiny ary tokony hovitaina mialohan’ny faha roa taonany. Anisan’izany ny aretin’ny raboka, koho-davareny, tetanosy, lefakozatra, kitrotro, difteria, pnemonia, aretin-tsofina… Mila averina anefa ireny […]
Med’s event: miray hina ireo mpianatra ho mpitsabo
Naharitra 5 andro ny hetsika “Med’s event” nataon’ny mpianatra ho mpitsabo teny Ankatso. Nofaranana tamin’ny fampisehoana rindrankira ara-pilazantsara sy hetsika maro samihafa izany, omaly. Anisan’ny nampiavaka izany ny fanomezan-danja ny kolontsaina sy ny sosialy. Tanjona ny fanamafisana sy fampisehoana amin’ny olon-drehetra fa miray hina ireo rehetra ao amin’ny fakiolite. Fotoana […]
Toetr’andro: hahery vaika ilay rivodoza Freddy, mihatra ny filazana fanairana
Mihatra sahady amin’ny faritra maromaro ao atsinanan’ ny Nosy ny filazana fanairana miloko maitso hanomanana ny olona hiatrika ny rivodoza Freddy. Anisan’ny nahazo izany Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Hahery vaika ity rivodoza mananontanona ity raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hanomboka any amin’ny talata na […]




