Mois : février 2023

Distrikan’i Manandriana : tokantrano sahirana 7000 misitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra

Nanara-maso ny fizarana ny vola fiahiana ara-tsosialy Asa Avotra Mirindra, tany amin’ny faritr’Amoron’i Mania, distrikan’i Manandriana, kaominina Anjoman’Ankona, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian niaraka tamin’ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia, omaly. Nandritra izany no nandefasana ny vola andi­any faharoa tamin’ny hetsika in’enina miantoana ho fanampiana […]

Gasy Stand Uppers: tafaverina ny “Men in Blagues”

Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsaha­vola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers mi­ara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika. Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. […]

Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah

Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana: Gazety Taratra (*): Ani­san’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve […]

Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie

Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Ta­nanarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’­ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Anala­kely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsi­ka natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy […]

Rehefa nohasarotina… : lany andro mikaroka ny hevitry ny « kanto » ny Malagasy

Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona […]