Manafika any an-dakazerina ny jiolahy, ankehitriny. Ny zandary manao fisafoana any ivelany, miaro vahoaka. Ny tokantranony anefa hanaovan-dry zalahy tantely afa-drakotra. Mangarom-biby an-davaka! Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy namaky tranona zandary iray tao anatin’ny toby “Gallieni” Toamasina, afakomaly. Tany am-panatontosana ny asany, nanao fisafoana, ny mpitandro filaminana iray […]
Mois : février 2023
Fitsenana Barea : mpangarom-paosy dimy lahy tratran’ny polisy
Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny lanonana fandraisana ny Barea teny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Jiolahy mpangarom-paosy dimy tratran’ny polisy tao amin’ny faritry ny Kianjabe. Nifandrimbona tamin’ny fiambenana tao Mahamasina ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP – UIR – SAG) ary ny kaomisarian’ny boriborintany […]
Alakamisy Fenoarivo: jiolahy roa lahy rotiky ny bala
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo ny alahady maraina teo. Maty teo am-pandosirana ny jiolahy roa. Telo lahy Nilanja varavaram-by roa izy ireo no niaraka. Nifanehatra tampoka tamin’ny zandary nanao fisafoana ny olona telo lahy. Nangataka hanao fanamarinana ny entana teny amin’izy ireto ny mpitandro […]
Mahamasina : efa nalain-dreniny teny amin’ny polisy ireo zaza very
Taorian’ilay zaza very nanaovana antso avo tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ankizy efatra indray koa no nilaozan’ny mpiara-dia tamin’ izy ireo. Natolotra ny polisy misahana ny ankizy tsy ampy taona (PMPM) ry zarao ka nanaovana antso avo tamin’izay ray aman-dreniny. Tonga naka ny zanany teny amin’ny polisy PMPM ny fianakavian’ireo […]
Nanafika mpandraharaha: jiolahy efatra voasambotra, tsy azo ny volabe
Tra-tehaky ny polisy avokoa ireo efa-dahy saika handroba vola tamina mpandraharaha iray tao Toliara omaly. Nirefotra ny basy tao Andaboly, renivohitr’i Toliara omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina teo. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny lehilahy mpandraharaha iray avy ao Soahazo niakatra tao an-toerana. Saika handroba ny vola teny aminy tao […]




