“Matahotra ny atao hoe politika ny kristianina. Satria zavatra ratsy ny fiheveran’ny kristianina ny politika hatramin’izay. Kanefa zavatra tsara ny politika, raha ny fiheveran’i Jesoa”, hoy ny mpanorina ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Rakotonirina Lucien, ny amin’ ny tokony hirotsahan’ny kristianina amin’ny sehatra politika. Fitantanana sy fandrindrana ny fiarahamonina […]
Mois : février 2023
Fidinana ifotony: miezaka manakaiky vahoaka ny Tim
Mazava ny toromarika. Ankoatra ny fanentanana ny olom-pirenena hanatona fokontany amin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, midina ifotony koa ireo mpikambana Tim. Anisan’izany ny eo anivon’ny boriborintany III, Antananarivo Renivohitra. Nanadio ny lakandrano etsy Ankorondrano Atsinanana izy ireo, omaly ary mbola hitohy izany. Nanampy sy nanohana izany ny depiote voafidy […]
Fiatrehana fifidianana: mbola mifampiandry ireo ho kandidà filohan’ny Repoblika
Hatramin’izao, iray no nanambara ampahibemaso fa ho kandidà filohan’ny Repoblika. Mifampiandry ireo mpanao politika? Na miandry ny fotoana farany… Mba mivoaka ahay ny tetiandrom-pifidianana. Paipaika sy kajikajy politika avokoa izany. Eo, ohatra, ny manantena ny mety hisian’ny fikaonandoham-pirenena. Mety hanova zavatra betsaka izay? Tsy mitsahatra miketriketrika ny hisian’izany ny sasany. […]
Toliara II : lehilahy iray hita faty tapa-doha
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly maraina, lehilahy iray no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Ankatsakatsa atsimo, distrika Morombe. Hita faty tapa-doha tsy lavitry ny lisea ao an-toerana izy, nisitrika tao anaty kirihitra ny vata-mangatsiakany. Tsy nisy nahita ny nahafaty azy fa ireo mpianatra hamonjy […]
Mba tia tanindrazana
Vita izay ny fetibe « Barea ». Miverina amin’ny rotorotom-piainana ny vahoaka malagasy. Ady sy tolona ilay vidim-piainana. Efa tafakatra 3500 Ar ny kilaom-bary, voatabia iray aza moa vidiana 500 Ar ! Santionany ireo fa mila mijery akaiky ny zava-misy isika mianakavy. Tsy hiandrasana ny mpitondra fanjakana, izay sahirana amin’ny tontolo politika hatramin’izao. […]




