Sahiran-kevitra ny mpikarakara. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ny herinandro teo, tetsy Alarobia fa mbola iadian-kevitra ny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa ho tapitra ny fepotoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny eo anivon’ny Ceni fa tsy mbola voafaritra ny tetiandro hanaovana fifidianana eny anivon’ny kaominina. Efa mandeha ny […]
Mois : février 2023
Fitsenana ny Barea de Madagasikara : nisy ny torana, zaza very, mamo toaka diso tafahoatra
Niombom-po sy naneho hafaliana ny olona rehetra, omaly tamin’ny fandraisana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana, niantrana teny amin’ireo lalana nandalovan’ny mpilalao hatreny Mahamasina ny mpitandro filaminana. Hentitra ny fitandroana ny filaminana nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Samy nanao izay ho afany koa ny […]
Ady tsara… ady fiady
Ny firafitra na ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hoe olan’ny mpanohitra sasany amin’izao. Mila fanovana, hono, fanamboarana. Toy izany koa ny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ny lalàna no mila finitsiana? Indray voafaoka amin’izany ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, anisan’ny mampitaraina […]
Tanàna nifanafika: olona enina maty, trano miisa fito may
Nifanafika ny mponina ao Besakoakely, kaominina Esira sy ny avy amin’ny tananan’i Emitray, ny asabotsy lasa teo. Vokany, olona enina maty. Nisy trano fito may. Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Besakoakely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary atsimo, ny asabotsy hariva teo. Nitrangana fanafihana nataon’ andian’olona tao an-toerana. Mafy ny fifandonana teo […]
Haintrano: trano 11 kila forehitra, olona iray naratra
Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenenina, ny alakamisy maraina lasa teo. Raha ny angom-baovao voaray,vokatry ny afon’afokasoka natao tamina kitay notondrahana solika fandrehitra no nahatonga ny loza. Nahazo ny rindrina falafa ilay afo ka niakatra nahazo ny tafon-trano vita amin’ny ravina. Nijoalajoala ny afo […]




