Anisan’ny manampy betsaka amin’ny famatsiana fanafody any amin’ireo toerana saro-dalana ny fampiasana drone. Hatramin’ny taona 2020, nahavita sidina 2.500 ireo drones amin’ny faritra efatra hampiasana izany. CSB miisa 88 no vatsiana fanafody amin’ny alalan’ireo drone. Ankoatra izany ny tobim-panafody madinika any anaty kaominina miisa 69 tena alavitra sy miampita rano […]
Mois : février 2023
Tanora malagasy : mitondra fiovana sy vina vaovao
Nikarakara hetsika fampiofanana ho an’ny skoto ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena afak’omaly. Fampiofanana mikasika ny fahaizana miatrika fiainana na « lifeskills ». Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina izany. Fanabeazana hahay hamboly kolontsaina sy vina vaovao anatin’ny tanora malagasy ny tanjon’ny hetsika. Tanora avokoa ny 65 % amin’ny mponina eto Madagasikara. […]
Fandaharanasa Fanarenana: nidina nanara-maso teny am-ponja ny masoivoho frantsay
Nanara-maso ny fizotran’ny fandaharanasa Fanarenana ny masoivoho frantsay sy ireo fikambanana miahy ny maha olona. Nidina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo. Notanterahana ny herinandro teo ny atrikasa andiany voalohany nandinihana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Nojerena niaraka tamin’izay ny fampivoarana ny fepetra fitanana sy fiahiana ny maha olona ao am-ponja, […]
Fitantarana angano : nodimandry i Paul Congo
Maro ireo nahatsiaro ny fahazazany vao maheno ny anaran’i Paul Congo… araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nodimandry ny marainan’ny asabotsy teo tany Antsiranana i Jaoravoana Paul. Anarana sy feo tsy zoviana amin’ny maro, satria dia raiki-tapisaka ao ampara-hatoka ireo angano notantarain’i Paul Congo. Nanomboka tao amin’ny radio Varatraza Antsiranana, avy […]
Guy Pradel : misokatra ny fampirantina
Tontosaina anio ny fampisehoana haikanto ho amin’ny varotra fampiarantina ataon’ny Guy Pradel. Eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny 7 hatramin’ny 25 febroary 2023 no hanatanterahina ity varotra fampirantina ity. Ity hetsika ity no entina hanokafana izay varotra fampirantina izay. Tombony manokana ho an’ny Malagasy, indrindra ny […]




