Hotanterahina rahampitso alahady ny fifaninanana “XXL Top 20” taranja rugby. Hifandona amin’ny lalao voalohany ny Cosfa sy ny JSTA Ambondrona, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka amin’ny 9 ora maraina. Lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny Ambondrona. Tsiahivina fa ekipa nanao lalao famaranana ny “Super coupe Mada […]
Mois : février 2023
Volley-CCCZone 7: hanomboka anio ny fifaninanana any Maorisy
Hanomboka anio, ao Maorisy ny andiany faha-27, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka Faritra faha-7 (CCCZone 7), taranja Volley ball. Klioba 3 ny solontena malagasy. Klioba 3 ihany no lasa hiatrika ny “CCCZone 7” any Maorisy, raha toa ka klioba 4 tany am-boalohany no fantatra fa handray anjara. Efa nanainga […]
Fanjifana eto Madagasikara : mitombo ny fampiasana solika fandrehitra
Ny telo volana voalohany sy faharoa tamin’ny 2022, dia betsaka ny fanjifana solika manerana ny Nosy. Nitombo betsaka izany tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Nitombo ny fanjifana solika amin’ny ankapobeny, toy ny solika fandrehitra sy ny gazoala tamin’ny taona 2022. Izany fitombon’ny fanjifana solika izany dia noho ny fahamaroan’ny […]
La Réunion-Madagasikara : miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
Mitohy ny fitsidihana ofisialy nataon’ny delegasion’ny Antenimerandoholona, tarihin’ny filohany (PS), Razafimahefa Herimanana atsy amin’ny nosy La Réunion. Nisy ny fivoriana manan-danja nataon’izy ireo, niaraka tamin’ny filohan’ny faritra Réunion, Rtoa Huguette Bello, ny 22 febroary teo. Vontoatiny ny hisian’ny fiaraha-miasa mafonja, tsara rafitra ary maharitra eo amin’ny faritra La Réunion sy […]
Jirama: hazavaina ny elakela-trano
Nosantarina teny amin’ny fokontany Andohan’i Mandroseza, ny alakamisy 23 febroary alina teo, ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano » tanterahin’ny Jirama. Miisa 20 ny jiro « cobra » napetraka tamin’ny elakela-trano, tsy nisy jiro nanazava hatramin’izay. Nanatrika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nilaza ny filohan’ny […]




