Mois : février 2023

Amidiny amin’ny mpanao fiara: jiolahy efatra sarona teo am-pandravana motera

Mpangalatra moterana fiara ikoizana voasambotra tao Mangarivotra-Andrefana, anatin’ny distrikan’i Mana­kara, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 janoary teo. Ny marainan’ny asabotsy teo, naharay fitarainana ny zandary fa nisy andian-jiolahy nibata ny moterana fiara tsy mataho-dalana miisa roa tao amin’io fokontany io. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tao […]

Merikanjaka : dimy lahy tratra nangalatra saribao miisa 60 gony

Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ambohitrandriamanitra ny 28 janoary 2023 alina, ireo dimy lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra arina fandrehaitra miisa 60 gony. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa nisy trangana halatra arina tao amin’ny kaominina Merikanjaka, distrikan’i Manjakandriana. Mifanka­halala tsara amin’ny tompon’entana ry zalahy ireto, […]

« Héroïne »: andrasana ny fotoam-pitsarana ilay kaomisera divizionera

Taorian’ny nandefasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ilay kaomisera divizionera higadra anyam-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, andrasana ny fotoam-pitsarana azy. Araka ny loharanom-baovao azo anefa, tsy nisy ity manamboninahitra ity avokoa ireo fonja izay nanontaniana eto an-toerana, omaly. «Tsy migadra etsy Antani­mora izy, ary tsy eny Tsiafahy koa. Rehefa namarinina ny […]

« Transformateur » jirama nipoaka : tranokely iray may tanteraka

Taitra maraina ny fokonolona teny Anosisoa Ambohi­manarina, omaly. Nipoaka tokony ho tamin’ny 07 ora teo ny vata mpanova herinaratra “transformateur” an’i Jirama miisa roa. Vokany, nipoaka mafy izany sady nahazo ny tsenakely iray mpanao “pho­tocopie” teny an-toerana. May tanteraka izany, ka tsy nisy noraisina intsony. Levon’ ny afo tamin’izay koa […]

Toamasina : mpianaka indray natelin’ny ranomasina

Niara-natelin’ny ranomasina ny mpianaka tao amin’ny fokotany Depot fahaefatra- Toamasina, ny alahady 29 janoary lasa teo  tamin’ny 2 ora sy 15 minitra. Fiana­kaviana iray ity niaraka niala sasatra teny amoron-drano ity. Nilomano, arak’izany, izy telo mianaka. Nanonja mafy anefa ny ranomasina. Nilentika vokatr’io ilay raim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra kosa […]