Mois : février 2023

Skoty –Andron’ny mpanorina : mpamonjy voina 120 nahazo mari-pankasitrahana

22 febroary. Ahatsiaro­vana ny andron’ny fieritreretana sy andron’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany. Fantatra amin’ny anarana hoe: “Baden Powel”. Natao teny Analakely izany, omaly maraina. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. Satria namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vondron’ny mpamonjy voina eto Analamanga afovoany. Miisa 120 mianadahy izy ireo. […]

Talata matavy : nomarihin’ny sekoly tamin’ny fanaovana diabe

Nankalaza ny talata matavy ny sekoly maro teto An­tananarivo, afakomaly. Na­seho tamin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany. Nanaovana diabe manerana ny tanàna ho an’ny sekoly Les Petits Lauréats etsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra an­jara. “Ny tontolon’ny asa” ny lohahevitry ny hetsika ho azy ireo. Nanao fanamiana […]

Jly Rakotoarijaona Josoa : “Zava-dehibe ny fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny mpitandro filaminana”

Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny famelabelarana ny fandaharan’asa nataon’ny MDN, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ,omaly… Tanjon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hiantoka tanteraka ny fandriampahalemana amin’ny sehatra rehetra na an-tanety na ana habakabaka na an-dranomasina, araka ny fa­na­zavan’ny minisitry ny Fia­rovam-pire­nena […]

Dren Analamanga: miverina manomboka anio ny fampianarana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana mi­loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka ha­tramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana […]