Mois : février 2023

Fanovana fomba fiasan’ny governemanta : notakin’ny filoha vokatra anaty fe-potoana ireo minisitra

Niarahaba ireo minisitra, mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Natsidiny sahady koa anefa ny fomba fiasa vaovao, manomboka izao ka nanafarany ireo minisitra tsirairay avy. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy mametraka tetiandro avy izy ireo ka ho tsapa sy ho hita anatin’ny telovolana sy […]

MIVARO-TENA AMIN’NY INTERNET : sivy vavy voasambotry ny zandary

Hiatrika fampanoavana tsy ho ela ilay vehivavy tompona orinasa fivarotan-tena anaty internet tao Mahajanga. Ny zoma teo, tratra tao Ambalavato ity tambazotra mamoafady ity ka voasambotra tamin’izay ireo valo vavy miasa amin’izany. Sarona nandritra izay koa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo. Eto an-drenivohitra no fanaovan’ilay vehivavy ny tolotr’asa omeny. Namaly izany […]

Toamasina : kambana nifanavotra, matin’ ny herinaratra ny iray

Nikasika tamin’ny trano vita amin’ny tafo vy, niraikitra ny zazavavy kely iray tao amin’ny tsenan’Ankirihiry ny alatsinainy 20 febroary teo. Niara-nilalao teo an-tokontany ireo zaza mirahavavy. Kambana, nanaraka ny rahavaviny hatrany ilay zazavavy kely iray. Kinanjo, niraikitra tampoka tamin’ny tariby nisy herinaratra ilay zazavavy vao herintaona sy tapany. Niezaka nanavotra […]

Antsobolo : andian-jiolahy nanafika tranona mpianatra

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny amina tranon’ny mpianatra eny Antsobolo ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’io fotoana io, nitety ireo trano teny amin’ny manodidina ireo jioalahy saingy tsy nahavaha trano. “Nifindra tato aminay izy ireo ka niezaka namoha ny varavarana tamin’ny lakile. Renay izany ka nitsoaka avy […]

Avy naka vola teo amin’ny GAB : nosintonin’ireo roa vavy ny poketran’ilay ramatoa

Lasan’ireo roa vavy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray avy naka vola tao amina GAB iray eny Ankorondrano, omaly… Manao ny ataony koa ny vehivavy! Voa­sambotry ny polisy nanao fanamiana sivily ireo roa vavy nanendaka renim-pianakaviana iray avy naka vola teo amin’ny masinina fisariham-bola amin’ny alalan’ny karatra (GAB), omaly, teny Ankorondrano. Narahan’ […]