Mois : février 2023

« Ligue des champions 2023 » : Hanala vela amin’ny Real Madrid ny Liverpool

Hotanterahina anio sy rahampitso ny lalao mandroso faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2023 » (LDC) taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Real Madrid Fc, klioba espaniola sy ny Liver­pool Fc, klioba anglisy. Dona hotanterahina ao amin’ny kianjan’i Anfield Angletera, […]

Unicef : nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC

Nanolotra « drones » telo miaraka amin’ny kojakoja samihafa, ordinatera efa misy « logiciel » azo kirakiraina mifanaraka aminy, mitentina 40 000 dolara ho an’ny BNGRC ny Unicef, omaly. Nisolontena ny Unicef ny tomponandraikitra lefitry ny fandaharanasa, Gilles Che­valier. Ilaina amin’ny fanombanana ireo zavatra simba aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ireo fitaovana ireo hanamorana ny fitondrana tohana […]

Fambolena: tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Ankoatra ny fizarana zezika natao faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanaovana soniam-piaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina sy ny vondrona samihafa. Isan’ny manosika ny fanjakana hanatratra ny vina napetrany izao natao izao. Nisy ny fanaovana sonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fa­m­bolena sy ny fiompina, niaraka tamin’ny JICA. Tanjona […]

Mpitondra tenin’ny tanora : voafantina Andriantsimba Hajaniaina Lucas

Anisan’ny tanora men­drika ka voafantina ho isan’ ireo mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany Andriantsimba Hajaniaina Lucas. Nandalo dingana maro ny fifantenana izay nokarakarain’ny OMLMS. Marobe ireo mpifaninana ta­mina firenena marobe maneran-tany ka anisan’ny sangany ny kandida avy amin’ny Tily eto Madagasikara. Tanora an-jatony, araka izany, ireo nifanintsana sy nanolotra ny fila­tsahany […]