Hiditra an-tanety rahalina eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara ilay rivodoza mahery vaika Freddy. Tombanana ho 200 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy ary harahina tafiotra manodidina ny 280 km isan’ora. Handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny rahampitso i Freddy. Omaly tamin’ny 3 ora, tany amin’ny 963 km atsinanana somary avaratra […]
Mois : février 2023
Tetikasa JMCT : tanora 33 niofana momba ny BTP
Ankoatra ny fampiarahana ny asa sy ny fianarana (ATE) any an-dakilasy anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT), manofana tanora efa niala an-daharana tany am-pianarana ny tetikasa. Fiofanana teknika mandritra ny roa volana ary afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany no natolotra. 33 ireo niofana tamin’ny andiany voalohany teo […]
Manoloana ny fiavian’ny rivodoza: tsy mianatra ny any amin’ny faritra Fitovinany sy Atsinanana
Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny mpanabe manoloana ny fanafihan’ny rivodoza Freddy dia naato ny fampianarana ho an’ny distrika 10 ao amin’ny faritra Fitovinany sy Atsinanana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitry ny fampianarana fa mitsahatra avokoa ny fampianarana rehetra manomboka anio hatramin’ny zoma izao any amin’ ny faritra Fitovinany sy Atsinanana. […]
Fiavian’ny rivodoza Freddy: miomana amin’ny famatsiana ny minisitera
Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hitsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana. Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 […]
Instat – sendikan’ny mpiasa: “Apetraho haingana ny tale jeneraly raikitra”
Niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy ireo mpiasa eo anivon’ny Instat, omaly. Tsy misy tale jeneraly ny ity sampandraharaha ity hatramin’izao. “Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany ka tsy mihodina ara-dalàna ny asa”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa birao eo anivon’ny Instat, Andrianirina. “Takinay ny hametrahan’ny fanjakana […]




