Mois : février 2023

AFT Andavamamba: nifarana ny “Festival des livres romantiques”

Afa-po tamin’ny vokatra hita nandritra ny “Festival des livres romantiques” andiany voalohany, natao nandrindra ny telo herinandro, teny amin’ny Alliance Française d’Antana­narivo na AFT Andavama­mba, ny mpikarakara. Fivaro­tana sy fifanakalozana boky, fampisehoana talenta momba ny fandravahana, fifaninanana teo amin’ny sehatry ny literatiora. Ireo no nandravahana ity hetsika lehibe ity. Nahazo […]

Hetsika marolafy : homarihina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny

21 febroary, andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Hisy hetsika marolafy hanamarihana izany, anio sy rahampitso. Hanokatra azy ny tafa iarahana amin’ireo mpanoratra dimy mianadahy, etsy amin’ny Mozaïk Antsahabe, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hanodidina ny lohahevitra “Ny fanoratana boky ho an’ny ankizy amin’ny teny malagasy” ny resadresaka hotarihin’i Hobiana Andriani­merina, […]

Fondation H: miezaka mampiroborobo ny kolontsaina

Tanjona napetraka, tany am-piforonany ny hampiroborobo sy hiantsoroka ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity. Misokatra ho azy ireo sy ny mpankafy haikanto ny toerana vaovao, nampifanarahana amin’ny filan’ny mpahay kanto. Notanterahina ny 20 fe­broary 2023, teny amin’ny Radisson Blu An­tananarivo, ny fampahafantarana ny toerana vaovao hisy ny Fondation H. Nam­pa­ha­fantarina […]

Vahoaka miray: “Tsy kilalaon-jaza ity”

“Tsy kilalaon-jaza ny fi­renena. Aza mifamitapitaka. Takatry ny vahoaka izay tianareo holazaina”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, manoloana ny hanovana ny mpikambana eo anivon’ny go­ver­nemanta. “Misy asa mandeha ao anatin’ny valo volana, raha minisitra no soloina. Ireo teknisianina amin’ny minisitra no soloina, raha hoe […]

MFM : “Aoka mba ho governemanta tsy miandany”

“Raha governemanta tsy hanao afa-tsy fifidianana, ka governemanta tsy mitanila sy tsy miandany ary hanatanteraka izay tapaka amin’ ny fikaonandoham-pire­nena: izay no takina.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rako­tovazaha Olivier, manoloana ny fanovana na fanamboarana governemanta amin’izao. Eo indrindra koa ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Re­poblika amin’ny 9 novambra […]