Notanterahina teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny asabotsy lasa teo, ny lalao famaranana ny fifaninanana “Ucef Challenge U17”, izay nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Union des Clubs et Ecoles de Football (Ucef). Tompondaka nandritra ny fifaninanana Play Off an’ny Ucef ny Academy Football Buffalo, raha toa ka ny Etoiles Filantes no […]
Mois : février 2023
Minisitra Ramaroson Andry: nankasitraka ny ezaka nataon’ny Barea
Anisan’ny hahafantarana ny minisitry ny Angovo sy akoran’afo, Ramaroson Andry, ny fankafizany ny fanatanjahantena, ankoatra izay ny fanampiana ny tanora hahomby amin’ny fiainana. “Coach en développement personnel” mantsy izy ka manampy ireo izay manantona azy hahita izay fahombiazana izay. Anisan’ireo tanora nanantona azy taorian’ireny vokatra tsara azony ireny, nandritra ny […]
Kitra – Rezionaly U19: nahemotra noho ny rivodoza Freddy
Naato ny fifaninanam-paritra taranja baolina kitra, ho an’ireo sokajy U19 izay atao eto amintsika, noho ny fisian’ny rivodoza Freddy. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny kaomisionina misahana ny baolina kitra ho an’ny tanora ao amin’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF), omaly. Izany dia natao hisorohana ny loza mety hitranga […]
Atleta miofana any Chine : hanomboka avy hatrany ny fiofanana
Efa any an-toerana avokoa amin’izao fotoana izao ny delegasiona malagasy hiatrika fiofanana any Chine. Hanomboka anio ny kotrana ho an’ireo atleta 51 mianadahy. Nisy ny fitsenana sy fandraisana ireo atleta malagasy handranto fiofanana sy hanoman-tena ho amin’ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny solontenam-panjakana Sinoa. Raha ny vaovao voaray, salama tsara daholo ny […]
Alley Hoop 3×3: hiverina indray ny fifaninanana
Niato nandritra ny 3 taona ny fifaninanana basikety, Alley Hoop 3×3. Ankehitriny, hiverina indray izany, izay hotanterahina ny 26 sy 27 febroary izao ary ny 4 sy 5 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa tsindriandaona avokoa ny mpankafy ity hetsika karakarain’ny Rdj hiarahana miasa amin’ny federasiona malagasin’ny basikety ity. […]




