Notanterahina ny asabotsy sy ny omaly alahady teo ny andro fahenina ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taona 2023, ho an’ireo kaonferansy avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena nanamarika ny andro fahenina ny fihaonan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Fosa Junior FC Boeny ho an’ny vondrona avaratra, lavo tamin’ny isa tery […]
Mois : février 2023
Rugby – « Super coupe Mada »: rava tsy lera ny lalaon’ny Cosfa sy ny FTM
Noravan’ny mpitsara tsy lera ny fihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray, tamin’ny lalao famaranana ny “Super coupe Mada”, taona 2023. Lalao fihantsiana nahafeno mpijery marobe, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly 19 febroary 2023. Tapitra teo amin’ny minitra faha-13, fizaram-potoana faharoa, ny fihaonan’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. […]
IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko
Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Madagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao hosodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko ihany no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, […]
« Amour’Rire » : nanolotra seho tsy nampoizina ry Fou Hehy sy Etsetra Etsetra
Ny fitiavana nolalaovina tanaty hatsikana… Fa tsy izay ihany no natolotry ry Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou hehy sy Aldini sy Riri ao amin’ny tarika Etsetra Etsetra, omaly. Maro ireo tsy nampoizin’ny mpijery tonga tao amin’ny CCEsca Antanimena tamin’ny seho natolotr’izy efadahy ireto. Saika hatsikana vaovao ny ankamaroany, […]
“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy
Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagnamaro” manerana ny Nosy. Nisafidy ny Rovan’Ilafy ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fanadiovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagnamaro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny […]




