Natao ny alarobia teo tao Toamasina ny fivoriambe nanatanterahana fifidianana ny ho filoha sy ny ekipa handrafitra ny birao hitantana indray ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Toamasina (AJT), mandritra ny efatra taona manaraka. Miisa 54 ireo mpanao gazety tonga nanatrika izany. Kandidà tokana tsy nisy nifaninana ny teo amin’ny toeran’ny filoha ka voafidy avy hatrany, tamin’ny isam-bato 44 i Sabotsy José na Sajo avy amin’ny gazety Taratra. Miisa 10 kosa ireo vato fotsy sy maty.
Voafidy ho filoha lefitra voalohany kosa Randriamanana Romuald, avy amin’ny TVM/RNM raha i Masilahy Gaston avy amin’ny radio tsy miankina RNA ny filoha lefitra faharoa. Eo amin’ny toeran’ny mpitambola i Volahanta Francine, avy amin’ny fahitalavitra tsy miankina FMA, raha sekretera jeneraly, Rakotoniaina Joseph, avy amin’ny gazety Basy vava. Miisa 12 ireo mpanolotsaina, nosafidin’ny filoha hisolo tena ny haino aman-jery eo anivon’ny birao. “Miaina sy mivelona ny fikambanana. Vavolombelon’ izany ny mbola nahafahana nanao fivoriambe na namita fifidianana demokratika tanteraka”, hoy ny filohan’ny AJT, i Sajo. Efa miketrika ny hetsika hanamarihana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-15 niorenana izy ireo izao. Hanomboka ny 21 avrily ary hofaranana ny oktobra ho avy izao.
Synèse R. sy i Sajo.




