Navoitran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo fa anisan’ny fototra iorenan’ny antoko ny antsoina hoe “Principes” sy ny “Doctrines”. Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena tany Bruxelles ny tenany tamin’ity herinandro ity.
“Ireo ihany no mibaiko ny atao rehetra eo amin’ny resaka politika. Ny fanapahan-kevitra, mipaka amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny firenena amin’ ny ankapobeny. Tarigetranay efa ho 10 taona izany miaraka amin’ny ezaka mitohy ho antoko manova sy mitondra fiovana”, hoy izy. Anisan’ireo niatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena, natao tany Bruxelles, ny 28 febroary teo ny MMM. Niompana amin’ny fotokevitra mibaiko ny fanaovana politika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny filoha nasionaly, fa zava-dehibe ny fifampizarana traikefa amin’ny firenena maro. Nohararaotiny izany namelabelaberana ny zava-misy eto amintsika sy ireo fototry ny fanovana tian-katao. Nambarany fa nahaliana ny resaka niarahana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony sy olom-boafidy avy aty Afrika sy avy any Eoropa. Betsaka ireo hevitra voalaza ka tokony hodinihina hiatrehana ny ho avy, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa fivoriana antsoina hoe “Africa Political Outlook 2023” izao natao izao. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanamby miandry an’i Afrika momba ny fitantanana, ny demokrasia ary ny fanamafisana ny Andrimpanjakana.
Synèse R.
Anisan’ny niatrika sy nandray anjara tamin’izany ny Praiminisitra avy any Tchad, Saleh Kebzaboy. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny ho an’i Centre Afrique, Sylvie Baipo Teimon. Ny depiote eoropeanina avy any Allemagne sy ny avy any Belgique. Teo koa ny solombavambahoaka avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ary ny lehiben’ny antoko Pades, avy ao Guinée Conakry.




