“Misy fitsipika ny eo anivon’ny vovonana IRD. Azo tenenina any amin’ny filohan’ny Repoblika izay notenenin’ny filohan’ny Fizafafi”, hoy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, manoloana ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fizafafi, Razanamahasoa Christine, tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo.
“Niaraka tany Mananjary ianareo, nahoana no tsy notenenina taminy izany?” hoy izy ny amin’ny tokony ho nitenenana tamin’ny filohan’ny Repoblika ny fitakian’ny Fizafafi ny toeran’ny Praiminisitra sy minisitra folo. Tsy misy dikany izany ny faritra hafa rehetra? Minisitra folo no nangatahina. Firy izany ny an’i Toliara ? Telo ho an’Antsiranana, roa ho an’ Antananarivo, roa an’i Toamasina… Any amin’ny telopolo ny mpikamban’ny governemanta, raha farafahabetsany raha tokony ho 25 na 26. Hatao 60 izany ny isan’ny minisitra? Raha homen’ny filohan’ny Repoblika minisitra folo i Fianarantsoa, satria ianareo no manan-doha: raha faritany enina, minisitra 60 izany. Izany no tiana hatao? “Aza manao an’izany”, hoy ihany izy.
R. Nd.




