Mametraka ny maha mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy. Nidina ifotony tany Antananambo Ankavanana any Antalaha, hatrany Sarahandrano ny loholona Eddie Serge Fernand. Nitafa mivantana, nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka ny tenany. Lavitry ny tanàn-dehibe nefa mamokatra izany toerana izany ary afaka hampandrosoana an’iny faritra iny.
Tafiditra tanteraka amin’ny fiahiana ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CTD ) rahateo izao fidinana ifotony izao. Nahaliana ireo vahoaka ny fihaonana. Niatrika izany ireo ampanjaka sy tangalamena, vehivavy sy ny tanora ary ny tantsaha. “Ilaina tokoa ny fiaraha-midinika sy fiaraha-mientana hizorana amin’ny fampandrosoana miaraka”, hoy izy ireo.
Olan’ny lavanila
Anisan’ny voaresaka ny momba ny fandriampahalemana, ny olana amin’ny vokatra lavanila, anisan’ny antoky ny toekarena any an-toerana.
Nihaino ny fangatahanan’ireo vahoaka ny loholona mba hampitaina amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta na ny filoham-pirenena.
Tsiahivina fa vao avy namita iraka tatsy amin’ny Nosy La Réunion niaraka tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany, izao nijery ifotony ny fiainan’ny vahoaka sy ny olany izao.
Synèse R.




