Mois : mars 2023

Hevitra fa tsy vola !

Anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidiana tanteraka ny Malagasy na efa notaterina ombieny ombieny aza ny fanjavozavoana eo amin’ny fanomanana sy ny mety hisiany na tsia. Ny tiana ifampizarana anio, dia momba ny tena votoatin’izany fifidianana izany. Indrindra fa ny mpiantsehatra fototra : ny hofidina sy ny mpifidy. Zary hifaninanana ny mampidera ny vola […]

Diplaomasia malagasy: tsy mamela mahazo i Rosia

Tsy mahasakana ny fitondrana rosianina hiara-miasa amin’i Madagasikara ny fivadibadihan-kevitry ny mpitondra momba ny ady any Ukraine. Mainka manamafy ny fifamatorana ny roa tonta. Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Ma­dagasikara ny firenena rosianina. Manohy ny fitetezany ireo minisitera stratejika ny lehiben’ny masoivohony eto an-toerana, Andria­matoa Andrey Andreev. Omaly, nihaona tamin’ny minisitry […]

Fivadiham-pitokisana : mpisoloky valo mianadahy voasambotra

Nivadi-pitokisana sady nisoloky vola antapitrisany an’ny mpandraharaha, voasambotry ny mpitandro filaminana teto an-dRenivohitra ny valo mianadahy voasaringotra tamin’io raharaha io, ny 13 marsa lasa teo. Nividy vary tamin’ny orinasa mpandraharaha iray ao Toamasina ireto olona valo ireto, ny taon-dasa teo. Araka ny fifanarahany ta­min’ilay teratany karana tompon’ny entana, naka entana […]

Toamasina : Jiolahy roa tra-tehaka

Nanendaka olona efatra tao Tanambao Verrerie Toa­masina, voasambotry ny zandary ny jiolahy roa, ny alin’ny 11 marsa hifoha 12 marsa teo. Naharay antso tamin’ny olona manodidina ny mpitandro fi­laminana fa misy roa lahy manao ny asa ratsiny teo amin’ io toerana io. Nidina ifotony nanao ny fisafoana ny zan­dary. Nitsoaka […]

Jirama Ambodivona : mpanendaka tratra niaraka tamin’ny antsilava

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisa­rian’ny boriborintany (CSP3) Antaninandro teny amin’ny Jirama Ambodivona, afakomaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra miharo fanendahana. Nanao fisafoana toy ny mahazatra amin’iny faritra Ambodivona iny ny polisy noho ny fitarainana voarainy avy amin’ny mpo­nina sy ireo mpampiasa iny lalana iny. Anisan’ny manao […]